Actualités

Ambohidrapeto Trano roa nasesin’ny mpangalatra.


  • Alarobia 30 Jolay 2014

Ny herinandro lasa teo dia nitrangana asa fanafihana mitam-piadiana indray teny Ambohidrapeto Atsimondrano. Tokony ho tamin’ny 2 ora maraina tany ho any dia niditra tao amin’ny tanŕna iray izay ana teratany vahiny ny jiolahy niisa efatra samy nirongo fitaovam-piadiana. Raha ny fanazavana azo dia mbola tao anaty torimaso ny tompon-trano no niditra ireto mpanao ratsy

Nopoirin’izy ireo tamin’ny baramina ny varavarana ary avy hatrany izy ireo dia nanao izay danin’ny kibony. Nanbanany sabatra ny olona tao an-trano ka tsy afaka nanao na inona na inona. Lasa tamin’izany ny solosaina miisa telo, ny finday ary entana maromaro toy ny volamena. Tsy lavitra io toerana io ihany koa dia mbola nahitana fanafihana hafa ary nielanelana telopolo minitra ny tranga niseho. Tamin’ity fanafihana faharoa ity indray dia ny radion’ny fiara no lasa ary samy tsy nisy nahare ihany koa ny tompon-trano raha tsy efa maraina vao samy taitra. Tsy fantatra raha iray ihany ny jiolahy nanao ny fanafihana tamin’ireto trano roa ireto. Tato ho ato dia nanomboka nahazo vahana indray ny vaky trano sy ny fanafihana mitam-piadiana raha toa ka azo lazaina fa nilamina izany nandritra iny volana jona iny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT