Raha tsiahivina, nitrangana vono olona feno habibiana teny Ambohidrapeto ny alatsinainy 26 jolay lasa teo
Voalaza tamin’izany fa mpanampiny lahy tao an-trano ihany no nahavanon-doza. Notsindroniny tamin’ny antsy tsy nananany antra mantsy ity mpampiasa azy. Naratra mafy ilay rangahy izay efa ny 60 taona mahery. Nataony koa ny mpanampy vavy hafa tao an-trano raha nikasa hanavotra ilay rangahy. Nalefa teny amin’ny hopitaly teto an-drenivohitra izy mianaka ireto. Noho ny fihombon’ny aretiny dia voatery nalefa tany ampita ilay rangahy hotsaboina kinanjo dia nindaosin’ny fahafatesana, ilay mpanampy vavy kosa efa tsy maninona. Mbola mitohy ny fikarohana ilay nahavanon-doza miaraka amin’ny entana nangalariny toy ny firavaka volamena sy vola manodidina ny vola vahiny 300 euro eo ho eo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.