Actualités

Ambohidrapeto Itaosy Nisehoana vaky fasana goavana


  • Zoma 27 Oktobra 2017

Tsy mifidy fasana hasiana intsony ireo mpangalatra taolam-paty eto amintsika na ambanivohitra na an-tanàn-dehibe.

 

 Tsy lavitry ny renivohitra fa tetsy Ambohidrapeto Itaosy, kaominina Ankadimanga indray no nisehoan’izany. Lasan’ireo tsy mataho-tody avokoa ny taolam-paty rehetra tao amina fasana iray, ka ny taolan-dava no tena lasibatra. Ny razana sasany aza moa dia karandoha sisa navelany.Tsy nisy nahatsikaritra ity toe-javatra ity mihitsy ny mponina teny amin’ny manodidina, fa olona saika handevina tamina fasana iray tsy lavitra io vaky io no nahatsikaritra zavatra hafahafa, indrindra fa ny fipetraky ny hidin’ny fasana, ka nampandre ny manodidina sy tompom-pasana. Teo vao tena nahita ny fahavakisana ny rehetra, ka nanararaotra nanafono ireo razana efa nisavoritaka. Raha ny fandinihan’ny maro moa dia ireo fasana rehetra manodidina no nandraman’ireo olon-dratsy novohaina saingy tsy voavohany, afatsy ity iray ity. Tena mirongatra tanteraka ny vaky fasana sy halatra taolam-paty amin’izao fotoana izao, saingy mbola baraingo mandrak’androany ny hampiasana azy ireny. Vao andro maromaro izay no nahatrarana taolam-paty 18 gony milanja 1,5 taonina tany Vatomandry.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT