Actualités

Ambohibary RN 43 9 lahy nanafika taksiborosy


  • Sabotsy 13 Septambra 2014

Nitrangana fanakanana fiara mpitatitra indray iny lalam-pirenena faha-43 mampitohy an’Ambohibary Sambaina amin’i Faratsiho iny ny alin’ny alarobia 10 septambra lasa teo tokony ho tamin’ny 9 ora alina teo

Tsy lavitra fa vao niala kely tokony ho 5 km monja an’Ambohibary no nitrangan’ity fanafihana ity. Raha ny tatitra azo tamin’ny mpitandro filaminana dia jiolahy niisa 9 no nanakana ilay fiara mpitatitra raha iny hiakatra ny fiakarana kely iny ilay fiara. Nosakanan’ireo jiolahy tamin’ny hazobe sy vato ny lalana ka vantany vao nijanona ny fiara dia nivoaka avy hatrany ry zalahy. Ny telo no fantatra fa nitondra basy poleta vita gasy, ary sabatra sy kobay no nentin’ireo hafa. Raha ny tatitra tamin’ireo niharam-boina dia voalaza fa nitentina 4 tapitrisa ariary ny vola voaroba tamin’ireo mpandeha, niampy ireo firavaka maro samihafa ary ny finday tany amin’izy ireo. Nambaran’ny kaomisera Talily Damy, lehiben’ny fari-piadidian’ny polisy ao vakinankaratra fa tokony hanaraka hatrany ny lamina apetraky ny mpitandro ny filaminana ny mpandeha hisorohana ireny fanakanan-dalana ireny, izany ho miandry ny namana sy ny mpitandro filaminana natao hiaraka amin’ny fiara mpitatitra. Marihina moa fa tsy nisy naratra ireto mpandeha ireto fa nilamina ny fanendahan’ireo jiolahy azy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT