Nitrangana lozam-pifamoivoizana narahana fitsoahana andraikitra teny Ambodivonkely Ambohimanarina ny alatsinain’ny Pentekosta lasa teo tokony tamin’ny 9 ora sy 20 minitra alina.
Moto Scooter Jog iray no nandeha mafy ka nandona polisy am-perinasa teny amin’iny faritra iny. Rehefa voadona ilay polisy dia lasa nitsoaka ilay moto. Nampandrenesina ny polisy rehetra izay manao sakan-dalana teny an-toerana taorian’izany ka voasambotry ny polisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahaenina teny Ambohimanarina ihany ilay lehilahy. 26 taona izy io. Rehefa nojerena izy dia efa mivilavila no sady namofona toaka. Notsapaina avy hatrany ny tahan’ny alikaola tao aminy ka fantatra fa mihoatra ny tokony noho izy nefa mbola nitondra moto ihany izy. Notanana avy hatrany tao aminy paositry ny polisy ity lehilahy ity hatao fanadihadiana. Ny vesatra hiampangana azy dia ny fitsoahana rehefa avy nandona polisy tamin’ny moto sy ny familiana nefa mamo. Mbola eo am-panaovana fanadihadiana ny polisy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.