Nitrangana haintrano namoizana ain’olona omaly maraina tetsy Ambodivona, akaikin’ny toeram-pivarotan-tsolika Galana. Lehilahy lehibe iray izay 85 taona no fantatra fa namoy ny ainy tamin’izany,
tokony ho tamin’ny 07 ora tany ho any.Raha ny fanazavan’ny Lieutenant colonel Tiana Razafimanahaka, lehiben’ny sampana mpamonjy voina dia trano lehibe iray no nirehitra voalohany. Tao ambony rihin’io trano io no nisy ity rangahy namoy ny ainy ity raha tafavoaka avokoa ireo olona niara-nipetraka taminy. Raha araka ny vinavinan’ny manodidina moa dia vokatry ny dia fifampikasohana herinaratra (court-circuit) no mety nitarika ity firehetana namoizana aina ity. Ora telo teo ho eo vao voafehy ny afo noho ny hasarotan’ny lalana. Nahitana trano hazo iray may ihany koa moa tao Ambodivona nandritra izany niampy efitrano fianarana iray izay rotiky ny afo tanteraka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.