Ambodivona

Lehilahy iray nanolana zaza 11 taona in-dimy nisesy


  • Alarobia 22 Janoary 2025

Tsy mitsahatra ny trangana fanolanana eto amintsika. Zazavavy kely iray vao 11 taona monja

no fantatra fa naolana lehilahy iray nanombola ny volana Novambra taona 2024. Nanandrana nanatsofoka ny filahiany tamin’ny fahadiovan’ilay zaza hatrany izy nandritra izany. Efa in-5 nampiasa ny filahiany hiditra an-tery tamin'ny fivavin'ilay zazavavikely ny anaolahy hoy ny vaovao saingy nitoreo ho maharary foana ilay zaza dia ajanony ary tambatambazany hatrany isaky ny avy hanaovany ny filan-dratsiny.Tsikaritry ny Rain’ilay zaza ohatra ny hafahafa ny fihetsika sy famindran-janany noho ka nitory avy hatrany tao amin'ny Paositry ny zandarimariam-pirenena ao Anosizato Andrefana izy rehefa nahazo valiny nampivonto fo tamin'ilay zanany. Nosamborina avy hatrany ilay tovolahy voalazan'ilay zaza fa nametaveta azy io.Natao ny famotorana azy ka natolotra ny fitsarana ny 20 Janoary teo ny anaolahy ary naterina hihazo ny fikambanam-ben'ireo voampanga ho nanolana eny amin'ny fonjaben’i Tsiafahy miandry ny fotoam-pitsarana azy. Lehilahy iray ihany koa moa omaly no fantatra fa nikasa hanolana zaza iray tao Ampatana Antsirabe ka tratran’ny fokonolona. Nomarihin’ny mpitandro ny filaminana ary fa mitovy ihany ny sazy azon'ny vao saika hanolana sy ny nanolana fa tsy tafiditra ary ny nanolana ka nanimba.
Pati
Legende : Ity ilay tsy mataho-doty saika hanolana zaza 11 taona !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT