Eny amin’ny arabe misy ny toby fiantsonan’ny zotram-pitaterana nasionaly indray no miala vonkina ny kaominina Antananarivo Renivohitra rehefa niala maina teny Analakely sy Soarano amin’ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana.
Nanomboka omaly maraina àry dia nokorontanin-dry zareo ireo mpivarotra amoron-dalana rehetra eny Ambodivona. Voakasik’izany avokoa na ireo anaty tranokely na ireo mamelatra entana eny amoron’ny arabe afa-tsy ny mpanao Taxi-phone. Raha araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny kaominina dia efa ho herinandro izao no nanaovan’izy ireo fampilazana tamin’ireo mpivarotra ireo. Ny nahavariana anefa, hoy izy ireo, dia mbola nanohy ny asany toy ny mahazatra ihany ireo mpivarotra amoron-dalana ireo omaly hany ka tsy vitsy ireo noraofin’ny kaominina ny entany. Ho an’ny mpivarotra sasantsasany sendra ny mpanao gazety kosa dia nambaran’izy ireo fa samihafa ny vaovao azony. Nisy olon’ny kaominina nilaza fa tsy foanana ny fivarotana fa hakisaka mankany aoriana ny tsena ho an’ireo manana tranokely. Nisy nilaza ihany koa fa mbola hisy fivoriana farany omaly, kinanjo nihatra avy hatrany ny fanalana azy ireo raha nisy ny namonjy izany fihaonana teny amin’ny Tranobe Andravoahangy misy ny biraon’ny tsena. Mba hialana amin’ny fitohanan’ny fiarakodia diso tafahoatra eny Ambodivona moa no nambaran’ny kaominina fa antony tsy maintsy hanalana ireo mpivarotra amoron-dalana. Raha ny zava-misy tazana maso teny an-toerana anefa dia ireo sarety entin-tanana sy ireo Taksibrosy no tena mibahana ny lalana sy ny “trottoir” amin’ny ankapobeny. Nambara fa nafindra eny Ampasampito ny ampahan’ny zotra mankany Toamasina nefa vao mainka nitombo ireo fiara miantsona etsy Ambodivona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.