Ambodivoina Ambohimanarina

Tsy maintsy tafita ireo kamboty mianadahy, hoy i depiote Todisoa


  • Zoma 30 Aogositra 2024

Sady maty efa Ray no maty Reny i Tendry 11 taona sy Mialy 7 taona. Ao Ambodivona Ambohimanarina izy

mianadahy kely ireo no mipetraka. Tohana mafy ny depiote Todisoa Andriamampandry manoloana ny toerana misy azy ireo ka noraisiny ny andraikiny. Niantohana ny saran’ny fisoratana anarana eny anivon’ny sekoly sy ny fitaovam-pianaran’izy ireo rehetra mandava-taona. Ho atao izay ahatafita azy ireo hatramin'ny farany raha araka ny andraikitra noraisin’ity depiote ity hatrany. Mangataka vavaka avy amintsika mpiara-belona ho fanohanana ireo kamboty tsy misy mpiahy rehetra araka izany ny Depiote Todisoa Andriamampandry, araka ilay tenin’Andriamanitra manao hoe : « Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireo rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko » ( Matio 25: 40).
Pati
Legende :
Ireo kamboty kely hotronin’ny depiote Todisoa ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT