Actualités

Ambodisiarivo, Ambohimanga Rova Tanàna mirefy 67ha mahery no kasain’olona alaina


  • Talata 21 Martsa 2023

Tanimbary, tanimboly ary tanàna mirefy 67ha mahery, izay nohajarian'ny mponina efa am-polon-taonany maro no fantatra izao fa kasain'ny olona alaina eny Ambodisiarivo, kaominina Ambohimanga Rova, hoy ny fampitam-baovao voaray.

Mampiasa fikambanana ny mpaka tany ka tomponandraikitry ny fokontany teo aloha no nambaran'ny fokonolona ho mpiray tsikombakomba amin'izany. Nofitahina ny olona sasany tety aminay noho ny tsy fahaizana ka nasaina nitondra karapanondro ho soratana anarana dia nomena 1 tapitrisa Ariary kinanjo fitaka ahazoana ny taninay, hoy ny solontenan'ny mponina teny an-toerana omaly antoandro. Voalaza fa olona manodidina ny 68 isa no efa naharay io vola io. Fototry ny fiainan'ny mponina eny ny fambolena sy fiompiana. Tsy manana diplaoma izahay ka raha voaroaka eto dia mba ho aiza izahay marobe an’arivony ireo, raha ny fanazavan'ny tanora iray. Nangataka ny ahazoana karatany moa izy ireo mba ahafahany mipetraka sy miasa am-pilaminana. Tsy nandalo tao amin'ny filankevitra kaominaly mihitsy ity raharaha ity ka tsy azonay ekena, hoy ny fanazavana nentin'ny mpampakateny ao amin'ny kaominina Ambohimanga Rova nanatrika ny hetsika fanoherana nataon'ny mponina. Miaradia manohitra ny fanesorana ny vahoakan'Ambodisiarivo amin'ny tany ihany koa ny ben'ny tanàna. Masiaka ireo vahoaka naneho ny hatezerany . Na hisy rà latsaka aza eto. Tsy hiala izahay. Tsy omenay ny taninay, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT