Actualités

Ambodisatrana Sambava Zazavavy 12 taona naolan’ny dadafarany


  • Alatsinainy 23 Novambra 2020

Zazavavy kely vao 12 indray indray no naolan’ny dadafarany, ny marainan'ny 19

 

 

novambra lasa teo tao Andranokolasy fokontany Ambodisatrana voalohany, kaominina sy distrikan’i Sambava. Nandeha tany amin’ny dokotera ny nenitoan'ity zazavavy no nanararaotra nanolana azy ilay dadafarany antsoina hoe : Hery. Mipetraka amin’ny nenitoany mantsy ity zaza ity ary mbola vao kilasy fahaefatra. Efa ela no nanao fihetsika hafahafa tamin'io zazavavikely io i Hery dadafarany ka tsy namelan'ity farany raha tsy simbany tanteraka, raha ny vaovao azo. Vao naheno ny vaovao mahakasika izany ny zandary avy ao amin'ny tobim-paritr’i Sambava dia nandray ny andraikiny avy hatrany, ka nisambotra an'ilay dadafara nahavanon-doza sy nitondra ilay zazavavikely tany amin'ny dokotera izay mbola hita fa torovana tanteraka.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT