Actualités

AMBODIN’ISOTRY – 67 Ha Tsy mety vita ilay lalana, hatreny Andavamamba ny fitohanana


  • Talata 30 Mey 2023

Anisan’ny lalana namboarina iray tena mahabe resaka eny anivon’ny fiaraha-monina no sady miteraka fahasahiranana ho an’ireo mpampiasa lalana ny etsy Ambodin’Isotry miazo ny Aigle noir.

Tsy ampy 1 km monja mantsy izy io nefa dia tena efa volana maromaro izao mbola tsy misokatra sy tsy mety vita ihany. Raha araka ny tsilian-tsofina renay dia noho ny fitarazoan’ny fanadihadiana hatao momba ity lalana ity no antony mahatonga izany. Amboarina ao anatin’ny volana vitsy mantsy izy dia potika sahady dia tahaka izay hatrany kanefa vola be no lany ao anatin’izany. Eo ihany koa ny tsy fahampiana na tsy fisian’ny vola hanohizana ny asa mihitsy ka mihitsoka tanteraka ny asa fanamboarana.
IREO ASA MANDEHA
Na izany aza dia fantatra fa efa mandeha ny ampahany mivoaka eny amin’ny 67 ha amin’izao izay hatao rarivato na pavé. Tsy misy mikitika kosa ny eo afovoany raha efa mba nisy nokasihina ihany koa ny eny amin’ny fiandohany manakaiky ilay bakan-jaoridira ka hatreny amin’ny mpivarotra voankazo. Kivy tanteraka ny mpampiasa lalana vokatr’izany ka anisan’ireny ny taxibe. Hatao adin’ny 1 mahery isaky ny mandeha mantsy ny lalana ampitan’ny Cenam mivoaka ny sampanana miazo ny garazy 67 ha, tsy maraina tsy hariva. Ankoatra izay dia mbola lavadavakabe ihany koa ny lalana miazo an’i Vatobe tsy maintsy hiodonan’ireo taxibe tokony handalo eo Ambon’Isotry ka sady lany ny solika no simba ny fiara. Tsiahivina moa fa niaraka tamin’ny asa fanamboarana ny lalana etsy Ankadimbahoaka miazo an’i By pass ity lalana etsy Ambodin’Isotry ity. Efa roa volana nisokafana anefa ny eny Ankadimbahoaka ankehitriny .
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT