Nampiakarina ho 50 sm ny haavon’ny lalana etsy Ambodimanga Besarety hialana amin’ny fahasahiranana amin’ny fivoahan’ny rano maloto rehefa fotoam-pahavaratra.
Tena mijaly tokoa mantsy ireo mpampiasa iny lalana iny sy ny mponina rehefa avy ny orana ka tsy vitsy ireo lasa mifindra trano fonenana tsy fidiny. Omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa, natrehin’ny Minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka. Lelavola mitentina 400 tapitrisa Ar no lany tamin’ny asa fanamboarana, asa izay naharitra roa volana. Ankoatra izay dia natao rarivato ihany koa ny lalana mba hampateza azy. Anisan’ny mahazo tombontsoa manokana amin’izao lalana vita izao ihany koa ny mponina ao Avaradoha, sy Ampasampito. Nisy ny fanentanana ny mponina mba tsy hanary fako ao anaty lakandrano nandritra izany, antony mampiangona ny rano tamin'iny faritra iny ka mahatonga ny rehetra hanainga zipo rehefa fahavaratra. Narahin’ny fanolorana fitaovam-pianarana toy ny kahie, ny penina, ny kitapo ho an’ny ny ankizy madinika amin'ny fokotany Besarety izany izay tamin’ny anaran’ny minisitra manokana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.