Actualités

Ambodihady Ambohimanarina Niteraka savorovoro ny fizarana Tosika Fameno


  • Alarobia 12 Aprily 2023

Niteraka savorovoro ho an’ireo mponina teny amin’ny fokontany Ambodihady Ambohimarina ny fomba fizarana ny tosika fameno sy ny vatsy tsinjo omaly

izay raha tsiahivina dia fanampiana avy amin’ny fanjakana natao ho an’ireo tokantrano marefo ara-pivelomana. Misy hatrany mantsy ny kiantrano an-trano hataon’ny Fokontany ka izay olona fantampantatrry ny ao amin’ny fokontany ihany no misitraka ilay fanampiana. Vola mitentina 6 alina ariary ka hatramin’ny 1 hetsy ariary no sitrahana ao anatin’ilay tosika fameno. Isam-bolana izany ho an’ireo tokantrano marefo ara-pivelomana. Raha ny fanazavan’ireo mponina hatrany dia efa nanomboka tamin’ny volana febroary teo no nisy olana ny fizarana izany ka maro ireo tsy nahazo intsony. Tsy matoky ny solontenam-panjakana eny ifotony ny mponina koa miantso ny filoham-pirenena mihitsy mba hidina isan-tokantrano hizara ity tosika fameno sy ny vatsy tsinjo ity. Nilaza kosa tetsy ankilan’izay ny sefo fokontany eny ambodihady ambohimaraina fa ireo izay nisoratra anarana tany am-boalohany sy ireo izay voasivana fa tena marefo ara-pivelomana ihany ka mendrika izany fanampiana izany no misitraka io fanampiana io. Ny FID izay tompon’ny tetikasa no manao ny sivana fa tsy ny fokontany hoy hatrany ny fanazavany. Ankoatra io tosika fameno omen’ny FID io anefa dia misy ihany koa ireo fikambanana samihafa mizara fanampiana izay tsy andraikitry ny fokontany ihany koa ny manao sivana ireo olona histraka fa ilay fikambana ihany raha ny fanazavan’ny sefo fokontany Ambodihady Ambohimarina Atoa Ravelonarivo harimanana no manao azy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT