Mitohy ny ady mangatsiaka, politika, eo amin’i Soja Jean André na Kaleta sy Reboza Julien. Samy zanak’Amboasary Atsimo ireto mpanao politika ireto, ny iray filoha mpanorina ny antoko Liaraike ary nivadibadika palitao teo, ka farany teo dia voafidy ho senateran’ny faritra Anosy tamin’ny anaran’ny Tiako I Madagasikara, antokon’i Marc Ravalomanana.
Mpanao politika nisintaka tao amin’ny AVI, antokon-dRatsirahonana Norbert Lala, ary sekretera jeneralin’ny antoko SPDUM tarihin’i Lahiniriko Jean, izay mpikambana ao amin’ny UDR-C ary samy mpikambana tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita izy sy Kaleta, nialoha ny nanendrena azy ho minisitry ny rano ankehitriny. Raha nanohy ny fitsidiham-paritra tany Amboasary Atsimo nanazava ilay sori-dalana vita rangopohy anefa ny delegasion’ny governemanta Vital, tarihin’i Yves Aimé Rakotoarison ary nahitana an-dReboza Julien sy Alain Razafimbelo, minisitry ny asa vaventy sy ny famantarana ny toetr’andro ny zoma teo dia tsy mba anisan’ny nanotrona azy ireo i Kaleta, nefa dia tao an-toerana.
Tany amin’ny radiony no nandrenesana azy, milaza fa mbola Senatera izy ary amin’ny 2013 vao tapitra ny fotoam-piasany. Nambarany fa tsy afaka miteny amin’ny anaran’ny vahoaka fa “mizakazaka” fahatany ireo mihambo ho olom-boafidy ao amin’ny Kongresy sy Filankevitra ambonin’ny tetezamita, izay maha mpikambana azy anefa. Ankoatra izay dia nokianin’i Kaleta mafy ihany koa ny lehiben’ny distrikan’Amboasary Atsimo, izay aminy dia tokony hesorina. Araka ny filazan’ity oloben’i Helibondro Behara ity mantsy dia naka fanapahan-kevitra ny hampiato ny fianarana ity solontenam-panjakana ity tamin’io zoma 15 aprily mba handefasana ny mpianatra hitsena ireto delegasion’ny governemanta ireto teo amin’ny lapan’ny tanàna. Araka ny fantatra anefa dia nizara bileta ny mpianatra tamin’io andro io fa handeha fialantsasatry ny paska.
Nifarana tao Ambovombe ny dian’ireto minisitra ireto raha tokony ho nihazo an’i Tsihombe noho ny haratsin’ny lalana. Ny olana amin’ny famatsiana rano, haratsin’ny lalana ary ny kere hatrany no hetatehan’ny mponina tamin’ireo tany nolalovan’izy ireo, mba hitadiavam-bahaolana. Omaly no nitodi-doha nihazo ny renivohitra ity iraka ity.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.