Raha nanontaniana mikasika ny zava-misy any amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo ny depiote Angčle Solange voafidy tany an-toerana, dia nanambara fa efa mba milamindamina, efa manomboka matory an-trano ny olona any noho ny fampiharana ny “Opération Coup d’arręt”. ....
Tokony hotohizana hatrany ity hetsika ity na amin’ny endriny hafa aza, hoy izy, rehefa tapitra ny 1 volana sy tapany hampiharana azy satria matahotra ny valifaty ny vahoaka. Raha ny any Andranondambo sy Ambatotsimivalo dia efa vonona te hihavana ireo tanàna ireo fa mila fandaminana kely fotsiny ary dia mieritreritra ny hanatanteraka “Forum inter-réjional” izahay any an-toerana, hoy ity depiote ity, hiarahana amin’ny olobe rehetra ao an-tanàna (Sojabe, Hazomanga, Mpitondra fivavahana, ray aman-dreny ao an-tanàna) handrindrana ny fomba Malagasy any ary efa lasa any amin’ny tompon’andraiki-panjakana mahefa ny fangatahana amin’izany. Tsy hoe vonoina daholo tsy akory ny dahalo rehetra, hoy ny depiote Angèle Solange, fa mbola misy zaza tokony hanarina fotsiny amin’izy ireo fa noho ny tsy fananana asa dia voan’ny fakam-panahy hangalatra fotsiny izao. Raha tontosa tsara ity fihaonana kasaina ity dia inoana fa mba ho zavatra hafa indray no hampalaza an’Amboasary fa tsy resaka dahalo sy tsy fandriampahalemana intsony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.