Raha ny angom-baovao natao dia nisy ny fivorian’ny mpitandro filaminana eo
anivon’ny OMC tao amin’ny biraon’ny distrikan’Ambilobe ;noresahana tao ny fandaminana sy fanadiovana ny tsena.Mialohan’izay dia re fa nisy sasany tamin’ireo mpivarotra nitaraina tany amin’ny depiote (IRD); nandeha ny adihevitra tao anaty fivoriana.Somary niakatra ny feo satria misy fepetra noraisin’ny kaominina momba ny tsena sy ny mpivarotra toa hoe tsy nahafaly ilay depiote ka dia raikitra avy hatrany ny vava be narahana fikasihan-tanana teo amin’ny depiote sy ny sekretera jeneralin’ny kaominina.Saika tsy an-kitsitsy mihitsy fa nandeha hatramin’ny daka sidina , hoy ny fitenin’ny tanora azy izay ny an’ingahy depiote. Soa ihany fa nisy zandary iray niezaka nanasaraka satria dia tsy nanaiky lembenana koa ilay tompon’andraikitry ny kaominina. Saika niafara tamin’ny angaredona mihitsy raha tsy teo ity mpitandro filaminana iray ity. Mampametra-panontaniana ihany hoe ho aiza moa izany ity firenena ity raha ny mpitantana sy ny olona tokony ho maodely aza manao toy ny mpiady an-tsena toy izao ? Ny fahefana tokoa ve no maha lasa adala sa ny adala no nahazo fahefana ? Inoana fa tsy nahazatra ny fiarahamonina Malagasy ireny ary na dia mbola azo lazaina ho marefo hatramin’izao aza ny soatoavina nalaza fahagola dia ny fihavanana dia heverina nametraka ho zava-dehibe hatrany ny fifanajana kosa ny Malagasy. Diso tafiditra ao anaty fanatontoloana ve sa diso mijery sarimihetsika haiady? Hahagaga ve ny fisiana fitsaram-bahoaka raha toa ka manam-pahefana aza ireny no ataony ?
J. Mirija sy Marigny A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.