Actualités

Ambilobe Nanokafana toeram-pamakiam-boky ho an’ny ankizy


  • Talata 17 Jona 2014


 Notokanana tao Ambilobe omaly ny toeram-pamakiam-boky voalohany eny amin’ny EPP amin’ireo dimy haorina manerana ny Nosy ka iray isam-paritany, tafiditra tamin’ny tetikasa fandrisihana ny ray aman-dreny handefa ny zanany hianatra. Ahitana efitra fianarana sy famakiam-boky ho an’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga fototra ny toeram-pamakiam-boky. Tonga nitokana izany tany an-toerana Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina, vadin’ny filoham-pirenena. Hanana toeram-pamakiam-boky toy ity notokanana ity koa ny mpianatra any Ampefy ho an’ny Faritanin’Antananarivo, Mahabo (Morondava) ho an’ny Faritanin’i Toliara, Sahamadio (Fandriana) ho an’ny Faritanin’i Fianarantsoa ary ao Taratasy (Foulpointe) ho an'i Toamasina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT