Actualités

AMBILOBE 8 ora isan’andro ny delestazy


  • Alarobia 17 Septambra 2014

Maizina am-pototry ny mazava ny kaominina ambonivohitra Ambilobe vokatry ny delestazy faobe ao an-toerana

Raha ny zava-misy dia adiny valo isan’andro ny jiro no mirehitra ary ny tontolo alina dia maizina ny tanàna. Efa misy ihany anefa ny tatitra nataon’ireo tompon’andraikitry ny Jirama ao an-toerana saingy tsy mbola nisy valiny hatramin’izao. Ny volana Aogositra teo dia nisy ny fandalovan’ny solontenam-panjakana tany an-toerana izay nanao fanamby amin’ny famerenana ny herinaratra ao Ambilobe saingy tsy mbola hita taratra izany. Misedra olana, araka izany, ny vahoaka ao Ambilobe noho ity delestazy ity ary saika tapaka avokoa ny fidiram-bolan’ireo mponina, indrindra ireo mampiasa fitaovana amin’ny herinaratra. Maro ireo faritra manana loharano azo hamokarana herinaratra saingy ny fomba hanatanterahana azy no mbola sarotra, indrindra ny fitadiavana ireo mpamatsy vola.  Ao amin’ny faritra Betsiboka dia azo atao tsara ny mamokatra herinaratra amin’ny alalan’ny reniranon’Ikopa ary afaka mamatsy ny faritra roa dia ny ao Betsiboka sy Boeny. Efa nisy ihany ny firesahana azy io saingy tsy tanteraka hatramin’izao. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT