Actualités

AMBEROBE-ANDRANOMANELATRA Lehilahy 70 taona nanolana tovovavy 15 taona


  • Alatsinainy 21 Jolay 2014

Asa na efa hadalana fa dia itranga-javatra mampalahelo foana eto amintsika. Lehilahy lehibe 70 taona indray mantsy no nahavita nanolana ny zafikeliny vao 15 taona monja tao

Antanivao-Amberobe, Kaominina Andranomanelatra. Salama saina tsara izy raha ny fahitana azy teo amin’ny mpitandro ny filaminana. Efa nanomboka ny volana Aprily 2014
lasa teo no nanombohan’ny fanolanana ity zazavavy kely ity raha ny tatitra azo tamin’ny zandary. Voalaza fa kamboty tanteraka ity zazavavy ity ka napetraky ny fianakaviana tamin’ity dadabeny ity amin’ny maha raiamandreny lehibe azy. Ny ela tokoa angaha maharay roa ka tonga ny filan-dratsin-drangahy ary dia novetavetainy tao rakalakely. Tsy nanaiky moa ikala saingy norahonany hovonoina na horoahina sy tsy homen-kanina raha tsy manaiky hiaraka aminy. Mamy ny miaina ka nanaiky tsy fidiny razazavavy. Rehefa nihaona tamin’ny zokiny anefa izy dia nitaraina ny zava-nanjo azy ka ireo no nitondra ny raharaha teo anivon’ny zandary. Niaiky ny zavatra nataony ilay lahiantitra izay tena mbola hita ho matanjaka tsara tokoa ka azo antoka fa nahavanon-doza tamin’ilay zazavavy. Natolotra ny fampanoavana ny zoma maraina lasa teo izy miandry ny fitsarana azy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT