AMBAVAHADITOKANA ITAOSY

Hahazo rano fisotro madio ny mponina, amboarina ny lalana


  • Alatsinainy 02 Desambra 2024

Anisan’ny kaominina mijaly rano fisotro madio ny mponina ao anatin’ny Kaominina Ambavahaditokana Itaosy,

distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Miezaka mitady vahaolana mifandraika amin’izany ny Ben’ny tanana teo aloha no sady mbola Kandida Ben’ny tanana amin’ny fifidianana hotanterahina ny 11 Desambra ho avy io Ratoetrarinanja Jean Louis. Natolotry ny tsy miankina ity Kandida ity ao amin’ny laharana faharoa. Nihaona mivantana tamin’ny mponina tao amin’ny Fokontany Amboatavo ny tenany ny faran’ny herinandro teo ka nambarany tamin’izany fa asa tsy mila kabary ny azy. Tonga nidina ifotony teny an-toerana avy hatrany nanao fanadihadiana mikasika ny hametrahana forage ao anatin’ny Kaominina Ambavahaditokana ireo tompon’andraikitra misahana izany. Hamboarina ihany koa ireo ampahan-dalana ambin’ny 3 Km tsy vita ao Amboatavo raha anisan’ny asa goavana mbola hotanterahiny ny fananganana lisea ao amin’ity kaominina ity. Manam-bola amin’izany ny Kaominina raha ny nambarany izay mbola hangatahina fanampiana avy amin’ny Fanjakana rehefa tena mandeha ny asa. Notsiahivin’ity Kandida iray ity moa fa ny mbola hanohy ny asa vita no antony mbola hirotsahany hahafahana tena mampandroso an’Ambavahaditokana marina.
Pati
Legende : Ny Kandida Ratoetrarinanja Jean Louis nitafa tamin’ny vahoaka tao amin’ny Fokontany Amboatavo !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT