AMBATRY MITSINJO BETIOKY ATSIMO

Nisy biby mitovy amin’ny alina nanaikitr’olona


  • Alatsinainy 12 Febroary 2024

Nitrangana toe-javatra hafahafa ihany koa tany amin’ny kaominina

ambanivohitra Ambatry Mitsinjo, distrikan’i Betioky Atsimo ny faran’ny herinandro teo. Renim-pianakaviana iray no fantatra no nohanina biby mitovy amin’ny alina teny an-dalana tampoka ka naratrabe vokatr’izany ny tongony havia. Raha araka ny fanazavan’izy mivady izay niara-nahita io biby io dia mitovy amin’ny alika ilay izy saingy misy volony toy ny soavaly kosa. Tsy misangy io biby io hoy hatrany izy ireo fa avy hatrany dia mandrapaka izay mifanena aminy. Efa nalefan’ny Ben’ny tanana ao an-toerana hitsabo tena eny anivon’ny hopitaly moa ity Renim-pianakaviana ity hisorohana ny mety ho fihitaran’ilay fery ary izy avokoa no handoa ny vola mety ho lany. Efa eo am-pitadiavana hevitra mikasika ilay biby kosa ny fokonolona mba hahafahana mamantatra azy io marina sao sanatria hamoizana aina amin’ny ora tsy hampoizina. Tsiahivina moa fa nahazo vahana ity resaka biby tsy fantatra anarana ity tato ho ato indrindra fa any amin’ny faritra. Raha biby fiompy hatrany no tena nohaniny hatramin’izay dia fantatra izao fa mihinana olona ihany koa izy ireny toy ity tranga tany Betioky Atsimo ity.
Pati
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT