AMBATONDRAZAKA

Vehivavy vao tera-bao naolam-badiny matetika


  • Alarobia 13 Martsa 2024

Miharatsy hatrany ny tranga miseho momba ny fanolanana eto amintsika.

Tsy mijanona amin’ireo ankizivavy kely sy vehivavy lehibe eny ivelany intsony izany fa tonga hatramin’ny fanerena ny vady andefimandry ao an-trano mihitsy na dia vao tera-bao aza. Lehilahy iray 40 taona no fantatra fa nanolana matetika no sady nanakenda ny vadiny vao 16 taona monja tany Ambatondrazaka tany. Nanjary nisy fivontosana mihitsy teo amin'ny taovam-pananahan’ilay vadiny vokatr’izany ary fantatra fa lasa mandeha ra tsy mijanona Ramatoakely. Taorian’ny fizahana ara-pahasalamana sy ny fitarainana natao no nahitana ireo rehetra ireo. Voatery nosamborina moa ilay nahavanon-doza rehefa nifanenjehan'ny zandary. Taorian'ny fanadihadiana natao moa dia niaiky ny heloka vitany ilay lehilahy ary nalefa any amin'ny Fampanoavana Ambatondrazaka avy hatrany. Tsiahivina moa fa na vady andefimandry ao an-trano aza dia manan-jo handa tsy hanao firaisana rehefa hanaovana tery vay manta. Efa tafiditra ao anatin’ny herisetra ara-nofo mantsy izany. Lohalaharana amin’izany ny tsy fahafahany miray amin’ny vadiny telo volana aorian’ny hahaterahany.
Pati
Legende : Ity ilay lehilahy mahavita manolana ny vadiny vao tera-bao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT