Actualités

Ambatondrazaka Tonga ny tanàna orange andiany faha-27


  • Alarobia 11 Novambra 2020

Tsy diso anjara amin’ny fahazoana ilay « village orange » ny any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka.

 

 

Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny village orange faha-27 napetraka any an-toerana izany natao indrindra hanampiana ireo mponina amin’ny fiainana andavanandro ho an’ireo faritra somary mitoka-monina. Tanjona amin’ny fametrahana ity village orange ity ny mba hahazoan’ny mponina rano fisotro madio amin’ny alalan’ny fametrahana lava-drano vaovao miisa efatra. Toraka izany koa ny fahazoana fitsaboana araka ny tokony ho izy ary fampianarana ireo ankizy madinika amin’ny alalan’ny fanitarana ny efitrano fianarana ao amin’ny EPP Ambaniala. Angady nananana sy vy nahitana ity village orange ity ny fifanampiana teo amin’ny Leo club sy ny fikambanana Orange Solidarité Madagascar. Mikasika ny fitsaboana manokana dia ny CSBII ao Ambandrika no nohavaozina tanteraka hahafahana mandray an-tanana ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza araka ny tokony ho izy. Napetraka tamin’io andro io ihany koa ny ivon-toeram-pitsaboana maman kangourou, handraisana an-tanana ireo zaza vao teraka tsy ampy lanja. Ity no ivon-toeram-pitsaboana maman kangourou andiany faha-23 napetraka ao amin’ny CHRR Ambatondrazaka. Nidera manokana ny fikambanana Compassion Madagascar sy ny fikambanana Orange Solidarité ny OMS tamin’izao ezaka goavana nataon’izy ireo izao hitsinjovana ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT