Actualités

Ambatondrazaka Raim-pianakaviana namono tena noho ny fahadisoam-panantenana


  • Sabotsy 19 Jolay 2014

Mafonja tamin’ity raim-pianakaviana iray any Ambatondrazaka ny namoizany ny vadiny izay mitondra vohoka.

Tsy tantiny ny nahita ity andefimandriny nivalapatra tsy nisy aina intsony tao an-trano. Hany hevitra hitany ny hamono tena ka nahatonga azy nitelina poizim-boalavo. Tsy nisy nanam-po io fihetsika io ny rehetra raha tsy izy efa nalemy ohatry ny taratasy. Tsy nahatsiaro tena izy ary nifamonjena nentina tany amin’ny hopitaly Ambatondrazaka. Soa ihany fa tonga ara-potoana teny amin’ny tobim-pahasalamana ka vetivety dia voadio ny tao anatiny. Efa mahatsiaro tena ny lehilahy saingy tsy mba afaka nandevina am-badiny akory noho ny toe-pahasalamany mbola mila fanaraha-maso. Izany tokoa ve ny atao hoe tia sa fihetseham-po tsy voafehy ny an’ity lehilahy ity. Raha ny nambarany mantsy dia ny ho faty miaraka amin’ny vadiny kinanjo tsy izay ny fandaharana nataon’Andriamanitra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT