Raiki-tahotra ny tantsaha sy ny mponina any Ambatondrazaka mahita olona manao fanamiana miaramila misatro-mena mihaodihaody ao an-tanna hatraminny Talata lasa teo. Efa-dahy no tsikaritry ny olona hatreto.
Tsy nahazoam-panazavana mazava kosa anefa ny fisian’izy ireo any an-toerana, ka mahagagagaga ny olon-tsotra ary mampiahiahy ihany koa. Tsy tany ihany fa nahazoam-baovao mitovy amin’izay koa avy any amin’ny tanàna antsoina hoe Antsahabe sy Andranovelona, kaominina Ambohitrolomahitsy, distrikan’i Manjakandriana. Telolahy manao fanamiana miaramila misatro-mena mitondra basy avy miaraka amin’ny roalahy manao fanamiana sivily no nihaodihaody tamin’ireo tanàna ireo.
Nivory maika ny fokonolona nahita azy ireo, satria fanao any ambanivohitra any ny mivory mifandamina amin’ny fandraisana vahiny. Tsy tonga toy ny vahiny anefa izy ireo, araka ny loharanom-baovao, fa nihaodihaody nampiahiahy ny olona tao an-tanàna. Nisy tamin’izy ireo aza no vaky nitsoaka aty an-drenivohitra nentin’ny tahotra. Nisy fotoana mantsy, voalaza fa nandrahona olona dimy mianaka mpiandry saha tao an-tanànan’Andranovelona ireto andian’olona ireto. Very fanahy ny mponina manoloana izany, ary manontany tena na jiolahy miafin’endrika na tena miaramila tokoa ireto andian’olona ireto. Mifanojo indrindra amin’ny vanim-potoana mampirongatra ny halatr’omby amin’ireny faritra ireny mantsy ny fisian’izy ireo.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.