Tovolahy kely iray 12 taona maty tsy tra-drano, ny raibeny tapa-tanana havia. Izay no vokatry ny
lozam-pifamoivoizana nitranga tao Manakambola Ambatondrazaka, omaly, rehefa nofaohin’ny kamiao ny moto nentin’izy mianaka. Niala mpitondra bisikileta ilay kamiao, dia nifatratra tamin’ilay moto. Nitsoaka ilay kamiao taorian’izay. Mandeha ny fikarohana azy.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.