Actualités

Ambatondrazaka Hazo sarobidy 60 indray no tratra nisy nitatitra


  • Alatsinainy 06 Febroary 2023

Voamboana, izay voasokajy ho anisan’ny hazo sarobidy eto Ladagasikara miisa 60 no saron'ny zandarin'ny kaompania Ambatondrazaka, ny sabotsy teo,

tao Ambandrika, hoy ny fampitam-baovao voaray. Avy any amin'ny kaominina Tanandava no niainga ireto hazo sarobidy ireto ary saika ampiasaina ao Ambatondrazaka, raha ny fanazavan'ny lietnà Razanabahoaka Seheno, manamboninahitra lefitra eo anivon'ny kaompania Ambatondrazaka. Ny mpamily ny fiara nitondra azy irery no tratra niaraka tamin'ireo hazo. Mbola tsy fantatra, raha ny voalaza, ny tena tompon'ireo voamboana, hoy hatrany ny fanazavana. Mampahatsiaro ireo voamboana tratra tany Vohitraivo Amparafaravola tamin'ny oktobra 2022 teo izato izy, hoy ny mpanara-baovao. Solombavambahoaka no voatonona tamin'iny ary aiza ho aiza ny tohin'ny fanadihadiana, efa-bolana aty aoriana? Ny mpamily ihany koa no naiditra am-ponja, raha tsiahivina.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT