Nandritra ny valo herinandro no nianatra ny kolontsaina sinoa sy ny fiteny Mandarin izy 100 mianadahy ireo. Misy ankizy mbola mianatra eny amin’ny ambaratonga fototra anisan’ny nanatevin-daharana ilay fiofanana.
. Ny consulat ny Chine eto Madagasikara sy ny fikambanana fifankatiavana Sinoa Malagasy any Alaotra no vy nahitana sy angady nananana io fianarana teny Mandarin tany Ambatondrazaka io. Ho an’Atoa Serge sy Rondo izay mpitarika ny fikambanana Sinoa Malagasy any Alaotra dia afa-po tamin’ny fizotry ny fampiofanana izay nentin’ireo Sinoa mirahavavy Alina sy Claire. Nisy ny fampisehoana ny fahaizana ireo mpianatra mifehy ny teny Mandarin nandritra ny lanonam-pamaranana ny fiofanana teny amin’ny Ekar Victoire Rasoamanarivo ny herinandro vitsy lasa izay. Fantatra fa taorian’iny fiofanana iny dia hisokatra tsy ho ela ny Ivon-toerana fianarana teny Mandarin izay hampafantarana ihany koa ny kolon-tsaina Sinoa. Fantatra tamin’ny fanadihadiana izay natao fa betsaka ireo gasy avy any Alaotra no efa mandraharaha ara-barotra any Sina ary liana amin’io fianarana teny Sinoa io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.