Nahazo fotodrafitrasa 2 goavana ny Kaominina Ambatomirahavavy, distrikan’Arivonimamo dia trano fiasan’ny tobim-paritra sy siniben-drano. Ny minisiteram-panjakana miadidy ny fotodrafitrasa ny fampitaovana ary ny fanajariana ny tany no namatsy ara-bola ireo fotodraftrasa roa ireo izay ka mitentina 75 tapitrisa ariary no nanamboarana ny tobim-paritry ny zandary....
Misahana ny Kaominina Ambatomirahavavy sy Antampolo ity farany . Tobin-janaparitra na Poste avancé navadika ho borigady izy ity noho ny fitombon’ny mponina sy ny fitatry ny tanàna ary ny tsy fandriampahalemana, hoy ny komandin’ny vondron-tobim-paritanin’Antananarivo Colonel RAKOTOMAHANINA Florens. Vahoaka miisa 450 kosa no voavatsy rano fisotro madio ao amin’ny tanànan’Andranosoalaza, fokontany Imeritsiafindra, Kaominina Ambatomirahavavy, vokatry ny fahavitan’ny siniben-drano sy ireo paom-pindrano miisa 4 miaraka aminy. 100 tapitrisa ariary ny tetibidin’ny asa fanamboarana. Vaindoan-draharahan’ny fanjakana ny fanomezana rano fisotro madio ny vahoaka, hoy ny talem-paritry ny rano ao amin’ny faritra Itasy Randrianarivelo Luc, mahaomby sy mazava tsara hoy izy ny fiaraha-miasa eo amin’ny ministeran’ny rano sy ny ministeram-panjakana misahana ny fotodrafitrasa. Fokontany 14 amin’ny 15 no efa manana rano fisotro madio ao Ambatomirahavavy hoy ny ben’ny Tananan’Ambatomirahavavy Rabefeno Jean Bertin, misy amin’ireo anefa no mila fanavaozana. Tsy ampy ihany koa ny habetsahan’ny rano eo antampotanan’Ambatomirahavavy ka mampitaraina ny vahoaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.