AMBATOMANGA ARIVONIMAMO

Raim-pianakaviana maty nilatsaham-baratra


  • Talata 24 Oktobra 2023

Manomboka mmono olona sahady ny varatra. Ankoatra ny ora-mikija miaraka aminy izay

efa miteraka ranobe eran’ny tanana sahady dia lasibatra ihany koa ny ain’olombelona. Raim-pianakaviana iray no fantatra fa namoy ny ainy vokatr’izany tamin’ny Sabotsy alina lasa teo tao Miarintsoa, kaominina ambanivohitr’ Ambatomanga, distrikan'Arivonimamo. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tena nasiaka ny varatra tany an-toerana tamin’io andron’ny Sabotsy io. Tokantrano roa no nataony nahita faisana ka anisan’izany ny nisy ity Raim-pianakaviana iray ity. Handeha hiazo ny lakozia haka afokasoka izy no avy hatrany dia nilatsaham-baratra ka maty tsy tra-drano. Vehivavy iray ankoatra azy kosa no fantatra fa naratra mafy tao amina tokantrano iray. Marihina moa na eny an-dalana na ao an-trano rehefa hamono izay ny varatra dia tena mamono tokoa. Raha araka ny finoan’ireo olona any ambanivohitra dia zavatra hirahina mihitsy izy ireny ka misy ireo mbola sahy mampiady izany indrindra fa any amin’iny faritra andrefan’ny Nosy iny.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT