Tato ho ato dia sesilany ny fanafihana mitam-basy ao amin’ny Distrikan’Ambatolampy ao. Tao amin’ny kaominina Antanamalaza indray ny faran’ny herinandro lasa teo dia nitrangana fanafihan-jiolahy mahery vaika. Jiolahy niisa 15 azo sokajiana ho « bande des 15 »
no voalazan’ny mponina fa nanao be fiavy tao amin’ny tanànan’Andriambe tokony ho tamin’ny misasakalina. Tsy nitondra basy ireo jiolahy fa famaky sy baramina no nentin’izy ireo ary trano niisa 4 no indray nasesiny novakiana. Izay entana azo nalaina, araka izany, no alain’ireo jiolahy toy ny akoho amam-borona sy ny kisoa sy izay entana zakan’izy ireo. Tsy vao sambany akory ny fanafihan-jiolahy fa efa matetika saingy mba nisy fiatoana kely izany teo aloha teo nefa dia izao miverina izao indray. Somary mihataka ny renivohitry ny kaominina moa ity tanàna ity no sady ratsy lalana ka manao toy ny banga mihomehy alina ireo tontakely. Mitaky fandraisana andraikitra ihany avy amin'ny mponina moa ny tranga tahaka izao, indrindra ny fametrahana indray ny fiarovan-tena isan-tanàna izay efa voizina mihitsy ao Vakinankaratra amin’izao fotoana satria tsapa fa asan-jiolahy maro na fanafihan-dahalo mihitsy no efa voasakana sy tsy nahomby noho ny fiambenan'ny fokonolona sy ny firaisankinan'ny samy ao an-tanàna teo aloha teo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.