Actualités

Ambatofinandrahana sy Fandriana Olona 200 mahery voakarakaran’ny CNaPS


  • Alatsinainy 07 Jolay 2014

Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra ataon’ny CNaPS amin’ny alalan’ny CNaPS mitety vohitra. Tao Ambatofinandrahana dia samy nanambara na ny manampahefana na ny olon-tsotra sy mpiasa tany an-toerana fa tena manamaivana ny fahasahiranana ....

ho an'ireo mpampianatra FRAM izao fahatongavan'ny CNaPS eny ifotony izao satria dia lavitra azy ireo ny Biraon'ny CNaPS ao Ambositra. Mihena ny saran-dalana sy ny fivezivezena arak’izany, fa ankoatra ny fampahafantarana momba ny CNaPS sy ny tolotra omeny dia nozaraina nandritra izao fotoana izao koa ireo karatra maha mpikambana ao amin'ny CNaPS. Anisan'ny nahazo tombontsoa ihany koa ny Distrikan'i Fandriana. Nambaran'ny lehiben’ny Distrika Ramarozatovo Christian fa maro amin’ireo mpampianatra FRAM no tsy mbola mahalala ny zony ka fotoana izao ahafahany mahafantatra momba ny fanampiana ara-tsosialy dia ny volan-jaza, ny volan’ny bevohoka, ny solon-takaitra ho an’ny voan’ny loza am-perinasa sy ny fisotroan-drononon’ny zokiolona.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT