Actualités

Ambato Mahatalaky – Tolagnaro Toaka gasy10 000 litatra no miakatra ao an-tsena isan-kerinandro


  • Talata 26 Aogositra 2014

Tao anatin'ny volana maromaro, nitobaka ao an-tampon-tanŕnan'i Taolagnaro ny zava-pisotro mahamamo vita gasy dia ny "toaka Gasy".

Amin'izao fotoana dia ahitana toeram-pamarotana maro amin'ireo elakela-trano sy amin'ireo toeram-pisotroana kafe. Saika avy ao Evorona-Ifaratsa sy any Ambato Mahatalaky no fiavian’ny toaka gasy. Tamin'ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa mahatratra 500 bidao amina 20 litatra sy barika am-polony ho tonga ao amin'ny tsenan'ny Mahatalaky Ambato. Tena  mitobaka ireo toaka gasy mamatsy ny renivohitra Anosy sy ireo kaomina hafa ary mipaka hatrany  Androy izany. Fiarabe no mitatitra izany hatrany Mahatalaky, mipaka hatrany Tolagnaro renivohitra. Amin'ny ankapobeny dia  malalaka ny fivezivezen'ny toaka gasy any an-toerana, malalaka toy izany koa ny famarotana sy ny fisotroana azy. Tsy anavahana fa na ankizy hatramin'ny vaviantitra sy tanora miala sakana dia  migoka  avokoa. Raha ny tokony ho izy dia hentitra amin’ny fanaraha-maso ny famarotana toaka tahaka izao ny manampahefana sy ny mpitandro filaminana, saingy toa mitazam-potsiny izany izy ireo ao Tolagnaro ao ary dia manaram-po, misotro isan’andro tsy mahalala izay hahafaty azy mihitsy ny mponina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT