Tena tsy milamina mihitsy ny fiasan’ireo milina mpamokatra herinaratra ampiasain’ny Jirama any Ambato Boeny Mahajanga raha ny fitarainan’ny mponina any an-toerana nampitainy nivantana taty amin’ny gazety Tia Tanindrazana no asian-teny........
Misy “poste” telo (1, 2,3) miara-miasa aty an-toerana, hoy ny fampitam-baovao azo, ka raha mandeha tsara tsy misy tomika ny “poste” 1 sy 2 dia mifanohitra amin’izany kosa ny mitranga ho an’ilay “poste” 3 fa tapatapaka foana ny jiro nefa ao amin’ny faritra be mponina indrindra aty an-toerana no misy azy io. Tsy dia mahita ny lalao Mondial mivantana avy any Brezila noho izany ny ankamaroan’ny olona satria eo amin’ny fotoana andehanan’ireo lalao mihitsy no tsy mandeha ny herinaratra. Mahita faisana amin’izany koa ireo mpianatra hanala fanadinana satria tsy afaka mamerin-desona mihitsy fa tapaka foana ny jiro amin’ny hariva tokony hanaovany izany ary koa amin’ny 4 ora maraina tokony hifohazany indray. Tsy milamina koa ny fahalemana any amin’ny faritra misy an’io “poste” 3 io satria ao no mitoetra ny kaomisarian’ny polisy aty an-toerana. Farany ary ny tena lehibe indrindra koa dia ny tsy fandehanan’ny rano ara-dalàna satria mbola avy amin’ity “poste” 3 ity ihany koa no mampandeha ny milina mizara ny rano aty Ambato Boeny. Etsy an-kilan’izany rehetra izany anefa dia tsy misy hatak’andro sy alaharo mihitsy ny an’ny Jirama rehefa hanapaka jiro sy rano raha sendra mba tara kely ny fandoavana izany. Antso no atao ho an’ny tompon’andraikitra ao amin’ity orinasa ity izay efa nampanantena fanavaozana be dia be araka ny nambaran’ny tale jeneraliny farany teo.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.