Ravan’ny afo avokoa ny entana rehetra tao an-trano izay mitentina 5 000 000 ariary vokatry ny fahamaizana niseho tamin’ny tokantrano iray ary nitarika tamina trano hafa teo an-kilany izay tao amin’ny distrikan’Ambato-Boeny fokontany Madirovalo ny alakamisy teo
. Araka izay dia olona 17 no tsy manan-kialofana. Hatreto aloha dia tsy mbola fantatra mazava izay tena fototry ny afo sy nahatonga ny loza. Nilaza anefa ireo olona traboina fa mety niniana natao io fandorana ny tranon’izy ireo io. Raha ny fanazavana azo mantsy dia tsy voaporofo izany fa vinavina fotsiny ny azy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.