Hafatra voalohany amin’ny iraka ataon’ny masoivoho vaovaon’i Allemagne eto Madagasikara Atoa Oliver Knoerich
amin’izao fiandohan’ny taom-piasany izao ny fanamafisana fa manan-danja manokana amin'ny fiaraha-miasan’ny Firenena roa tonta ny fifanakalozana mifototra amin'ny fifampitokisana sy ny fifankatiavana, ary amin'ny toe-tsaina mahomby isian’ny tombotsoan’ny andaniny sy ny ankilany. Hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin'ny Madagasikara sy Allemagne indrindra fa tombontsoa iraisana izay nambarany fa tsy nitsahatra nivoatra tato anatin'ny taona vitsy, indrindra amin'ny sehatry ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra, ny angovo, ny fiarovana ny loharanon-karena voajanahary, ary ny fanabeazana, araka ny fanazavany. Araka ny filazan'i Oliver Knoerich, Madagasikara dia tena manintona amin'ny lafiny ara-toekarena sy ara-pizahantany. Ny fisian'ny sampan-draharaha, fikambanana, ary orinasa alemà dia manaporofo ny fahalianana mitombo amin'i Madagasikara, izay firenena mpanondrana vokatra ara-pambolena sy akora fototra ilaina ho an'i Allemagne, hoy izy. Eo ny fomba firesaka ara-diplaomatika, fa tena mahatsapa ihany koa ny vahiny fa manana herijika ara-toekerana lehibe isika noho ny harena marolafy, ny fisintonana mpizahatany,... Tena omena lanja sy atodika ho an’ny Firenena hiadiana amin’ny fahantrana sy mba hivoarany ve anefa ireny ? Tena hain’ny mpitondra ve no mamadika izany ho hery ara-pampandrosoana sa lasa malaza tsy hihinana hatrany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.