Ambasadaoro Amerikana

"Zava-dehibe ny fikatsahana ny fitoviana ay ny rariny"


  • Alarobia 03 Jolay 2024

Omaly no nanatanterahana ny lanonana ofisialy nankalaza ny faha-248 taona nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia ho an'ny eto Madagasikara .

Teo ambany fiahian'ny Ambasadaoro Amerikana eto Madagasikara sy any Kaomoro, Claire Pierangelo, sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy, Rasata Rafaravavitafika no nanaovana izany . Nanamarihana ny faha-60 taonan’ny Civil Rights Act na ny lalàna momba ny zon’ny olom-pirenena any Etazonia, ihany koa ny lanonana omaly . Fotoana lehibe teo amin’ny tolona ho an’ny fahafahana sy ny demokrasia izy io.
HO AN'NY FITOVIANA SY NY RARINY
Tsy ny fankalazana ny lalana nodiavin’i Etazonia mankany amin’ny fahafahana sy ny demokrasia ihany no natao omaly fa fotoana ihany koa nandinihana momba ny tolona maharitra iombonana ho an’ny fitoviana sy ny rariny, any Etazonia sy manerana izao tontolo izao.Nanome voninahitra ireo olona mahery fo izay nilahatra sy nanao fihetsiketsehana ary nanao sorona ho an’ny zon’ny olom-pirenena ny Ambasadaoro Pierangelo. “Ny lova napetrak’izy ireo dia mampatsiahy antsika ireo zava-bitantsika sy ireo fanamby mbola atrehintsika amin’ny fikatsahana ny fitoviana sy ny rariny”, hoy izy.
VONONA HANAMAFY FIFANDRAISANA
Ity volana ity ihany koa no manamarika ny faha-60 taonan’ny fitsidihan’ny Filoha Malagasy Philbert Tsiranana tany Etazonia ary nihaonany tamin’ny Filoha Amerikana Lyndon Johnson tao amin’ny Maison Blanche. Ny volana jolay 1964 no nanamafisan’ireo filoha roa ireo ny fifanarahana sy ny firahalahiana eo amin’ny Etazonia sy Madagasikara ary nibanjinana ny fahaleovantenan’ireo fireneny avy sy ny andraikitra takian’ny fahafahana. Nanao fampirantiana sary momba izany fitsidihana izany ny Masoivoho Amerikana nandritra ny lanonana omaly.I Etazonia dia vonona hanamafy ny fifandraisany amin’i Madagasikara, izay miorina amin’ny fifandraisana ara-diplomatika efa ho 160 taona hatramin’ny nisokafan’ny birao kaonsolary amerikana voalohany tany Toamasina ny taona 1987 sy ny 30 taona nahatongavan’ny Peace Corps teto Madagasikara, ary ny 40 taona niasan’ny USAID teto Madagasikara.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT