Ambany tanàna miray

«Tokony handroso i Madagasikara raha miray hina!»


  • Talata 12 Novambra 2024

Tokony handroso i Madagasikara raha miray hina, hoy ny Ambany tanàna miray na ATM!

Tanjonay hatrany, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Rakotonandrasana Sylvain Norbert na Nono, ny hampandroso ity firenentsika ity ary vonona hanome tanana amin’izany foana izahay. Ny lesoka tamin’ny fitantanana an’Antananarivo farany teo, hoy izy, dia tsy resaka tekinika intsony fa resaka politika. Nanana finiavana tokoa ny ben’ny tanàna teo aloha, Naina Andriantsitohaina, hampandroso an’Antananarivo saingy na nisy aza izay finiavana izay dia nisy koa ny atao hoe sakana na volo manoa randrana. Nezahin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, kosa mba tsy hahitàna an’izay intsony ny kandidà Harilala Ramanantsoa, izay tohanan’ny fitondràna amin’ity. Ny fandrosoan’ny tanànan’Antananarivo no tanjona. Ambetin-tenin’io kandidà io ny hoe mandray ny fiaraha-miasa avy amin’ny firehana rehetra te hampandroso an’Antananarivo, izany hoe, tsy manavaka. Izy izany no hitan’ny ATM ho kandida misokatra indrindra amin’ireo miisa 7 ireo, hoy hatrany ny ATM, ka isan’ny hanohananay azy izany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT