Nokorotanin'ny HVM tamin'ny helikoptera ny mpanao fanandinana tao amin'ny kaominina Ambano Antsirabe II ny talata 21 jolay tokony ho tamin'ny 4 ora hariva
. Efa natao tabataba eran'ny tanàna ny fiavian'ny minisitry ny fahasalamana Pr Mamy Andriamanarivo any an-toerana mba hampandany ny kandidà HVM, izay mpiasan'ny Faritra Vakinankaratra moa io kandidà io, ka nisavoritaka nohon'ny fitia te hijery ilay angidim-by ireo mpianatra. Nitarika fahatarana sy tsy fifatohana tamin'ireo mpanao fanadinana izany ary nahatezitra ireo ray aman-dreny tany an-toerana. Ny Lehiben'ny Faritra sy ny talem-paritry ny fahasalama ary ireo mpitondra tany an-toerana toy ny Ben'ny tanàna sy ny lehiben'ny Fokontany moa noterena tsy maintsy nandray ity tompon'andraikitra ity nandritra io hetsika io.
Caïus R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.