Actualités

Ambanja sy Nosy be Hahazo « Complexe de Pêche » ireo mpanjono


  • Talata 04 Aprily 2023

Hatsangana ao amin’ny distrikan’Ambanja sy Nosy be Faritra DIANA ny « Complexe de Pêche » izay foto-drafitrasa tanterahin'ny Ministeran’ny jono sy ny toekarena manga amin'ny alalan'ny tetikasa SWIOFish2

vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola ho fanampiana ireo vahoaka sy ireo mpanjono ao an-toerana.Tafiditra ao anatina tetikasa tanterahina aty amin’ny faritra atsimo andrefan’ny ranomasimbe Indianina izy ity, ka tanjona amin’ny izany ny fanatsarana ny fitantanana ny seha-pihariana jono mba hananana tombony ifampizarana any aoriana.Miainga eo amin’ny faritra misy azy aloha, miitatra amin’ny sehatra nasionaly sny rezionaly avy eo. Ahitana efitrano fivoriana, biraon’ny mpitantana, tahirin-drano, « chambre froide » hitahirizana ny trondro, toeram-panamboarana lagilasy, toeram-pivarotana ity fotodrafitrasa hatsangana ity ary hampiasa herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Nanamafy moa ny Minisitry ny jono sy ny toekarena manga Mahatante Paubert fa zava-dehibe amin’ny ady amin’ny fahantrana sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fisiana fotodrafitrasa tahaka izao, indrindra moa fa faritra faharoa mamokatra trondro be indrindra aorian’i Boeny i Diana.Fanampiana ireo mpanjono amin’ny fanajana ny fenitra amin’ny asa ihany koa ny zavatra tahaka izao hoy hatrany ny minisitra. Ny 3 aprily lasa teo moa no natao ny lanonana fametrahana ny vato fototra amin’ity fananganana « Complexe de Pêche » any Ambanja sy Nosy Be ity
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT