Nitrangana loza namoizana aina tany amin’ny Fokontany Andrangorina, kaominina ambanivohitra Ambohidava aratra, distrikan’Ambatondrazaka afak’omaly alarobia 30 septambra.
Motoculteur Kubota iray nitondra olona mihoatra ny 10 izay fantatra fa fianakaviana iray no nivarina tany anaty lavaka. Raha araka ny loharanom-baovao dia avy namonjy lanonana ady fototra trano vaovao hipetrahan’ ity Kubota ity ireto fianakaviana ireto no izao tra-doza izao. Niodina tampoka mantsy ny lohan’ilay Kubota izay tsiahivina hatrany fa vaovao ka nandeha tany amin’ny tsy tokony nalefany. Tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro no nitrangan’ny loza raha tamin’ny 05 ora sy sasany hariva kosa vao tonga tany amin’ny hôpitaly CHRR Ambatondrazaka ireo naratra. Manodidina ny 5 sy 10 taona kosa ireo tsy manan-tsiny namoy ny ainy izay zazalahy kely avokoa, raha ny vaovao azo hatrany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.