Actualités

Ambalavelona-Ambanja : Simba sahady ny lalana RNS-30


  • Zoma 29 Janoary 2010

Simba sahady ny lalana mampitohy anAmbalavelona aminAnkify, mampifandray ny RNS30 aminny lalam-pirenena faha-6 any Ambanja, Faritra DIANA. Lalana mirefy 17 km eo izy io, ary notokanana ny Sabotsy 21 novambra 2009.

 

Nanao be midina tany Ambanja nitokana io lalana io tany an-toerana i Andry Rajoelina, filohan’ny Tetezamita, izay niverina ho filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita indray ankehitriny. Niverimberina tamin’ny kabariny nandritra ny lanonam-pitokanana tamin’io Sabotsy io fa tsy nokojakojaina io lalana io teo anelanelan’ny taona 2004 sy 2008. Ny tetezamita no niezaka nanamboatra azy ho tombontsoan’ny vahoaka, hampisy fampandrosoana. Koa raha ora roa no nanaovan’ny fiara ny ampahan-dalana 17 km taloha dia tsy misy afa-tsy roapolo minitra avy eo amin’ny sampanana Ambalavelona ihany sisa dia tonga any amin’ny seranan-tsambo ao Ankify, hoy ihany ny kabary, te hilaza fa mahavita azy ny fitondrana tetezamita. Tsy misy roa volana akory aty aorian’ny nitokanana ny azy anefa dia simba sahady ny lalana. Misy lavadavaka sahady amin’ny ampahan-dalana mirefy 5 km amin’io 17 km vao namboarina io. Natao tefy maika ?
Fanitarana ny tendrom-pampandrosoana na PIC tao Nosy Be no niteraka ny fanamboarana io foto-drafitrasa io. Manodidina ny 8,565 miliara Ariary, vokatry ny fiaraha-miasan’ny tsy miankina sy ny fanjakana ary ny fanohanana ara-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Ny orinasa frantsay Colas kosa no nanatanteraka ny asa.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT