Actualités

Ambalavao sy Fianarantsoa Efa miakatra an-tanàna ny andiam-balala


  • Zoma 19 Mey 2023

Efa tonga ao Fianarantsoa ny valala avy any Atsimo. Namangy ny tananan’i Fianarantsoa izy hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay ary efa miparitaka hatrany Ambalavao.

Maizina tanteraka ny habakabaka vokatr’izany. Misavoritaka ihany koa ny olon-dehibe sy ny kilonga madinika misambotra valala. Izany rehetra izany zakan’ny mponina ihany fa ny tena mampanahy azy ireo mafy dia ny faharavan’ny fambolena ao amin’ireo faritra roa ireo. Rehefa reraky ny nanidina mantsy izy ireo omaly hariva dia tsy maintsy mitady toerana handriana sy hitoerana ka anisan’izany ny tany misy fambolena rehetra. Nomarihin’ireo mponina moa fa tany amin’ny 5 taona na 7 taona lasa no nisy andiam-balala tahaka izao nandalo farany tany amin’izy ireo. Mangataka amin’ny fanjakana ny mba hijerena akaiky izany araka izany ireo mponina hisorohana ny faharavana mety hitranga. Ho an’ny tany amin’ny faritra Atsimo manokana dia tsiahivina fa vokatry ny tsy fahaloavan’ny tompon’andraikitra ny karaman’ireo mpamono valala sy ny tombontsoa tokony ho azy no tena nampirongatrabe azy ireny ka izao tonga hatrany Fianarantsoa izao.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT