Nanitatra ny fotodrafitrasa handraisany ireo ankizy mpatory an-dalana ny AMACREM etsy Tsimbazaza. Ahitana rihina iray izy io, misy efitrano efatra.
Efa manomboka ny asa fanamboarana, hahafahan’ity ivontoerana ity mampitombo isa ireo ankizy sahirana horaisiny an-tanana, raha araka ny fanazavana azo. Raha 140 izy io teo aloha dia hakarina ho 200 amin’ny taom-pianarana 2014-2015. Ny tanjona moa dia hanampiana ireo ankizy tena sahirana tsy manam-piahy eto an-drenivohitra ka hahafahany manovo fahalalana toy ny ankizy rehetra mitovy aminy. Tsara ny manamarika fa tao anatin’izay roa taona nisian’ity ivontoerana ity izay dia ankizy miisa efatra no efa tafavoaka noho ny fiofanana arak’asa nomena azy. Anisan’izany ireo lasa mpanao volo, rehefa nomena fiofanana mifandraika amin’izany sy ny mpanamboatra fiara ary mpanao sakafo izay efa samy nahita asa avokoa. Tamin’ny famaranana ity taom-pianarana 2013-2014 ity dia miisa 14 ireo ankizy no nahazo sitraka avy amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny ivontoerana ka nisy tamin’izy ireo no nalefa mba hitsangantsangana sy haka rivo-dranomasina any Mahajanga. Miisa efatra kosa ireo niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.