Actualités

Alliance Française de Fort Dauphin sy ny tahirim-bakoka Fort Flacourt. Manomana hetsika ho an'ny pika sary


  • Talata 26 Aogositra 2014

Ny 5, 6 ary ny 7 Septambra izao no hotanterahina ao an-drenivohitra Anosy ny hetsika festivaly ho amin'ny fakana sary (Premier Festival de la Photographie). Hetsika iarahan'ireo roa tonta ireo manatanteraka. Volana vitsivitsy talohan'izao, re fa nisy ny fanentanana natao ny handraisan'ireo mpaka sary any an-toerana mba handray

anjara mba ampahafantarana ny mponina ny tena zava-misy iainana andavanandro. Tafiditra amin'izany ny resaka fampandrosoana. Sambany no nisy teto Madagasikara izao natomboka any Fort Dauphin izao. Ny tetikasa na Projet Inside out de"JR" no nisantatra ity festival iray ity. Hateloana hanasongadinana ny kolontsaina misy any an-toerana amin'ny alalan'ny hetsika samihafa dia ny fitokanana,fampisehoana, valandresaka ary fafano Loranà. "Tolagnaro Izahay" no teny filamatra hitondrana ny festivaly. Marihina fa am-polony mahery ireo mpaka sary no nandray anjara ary nisy ny Fampianarana sy fampiofanana tsy nandoavam-bola.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT