Hanatontosa hetsika entina hampahafantarana ny asa soratr’i Rado etsy amin’ny Café de la Gare ny OFNAC (Office national de l'Art et de la Culture) rahampitso sabotsy hariva
“Alin’ny haisoratra miaraka amin’i Rado” no iantsoana azy io, ho fanomezana lanja ity mpanakanto andrarezina ity sy ny teny Malagasy. Antsan-tononkalon’i Rado na Georges Andriamanantena miisa 16 ravahan’ny hira miisa 25, izay hohirain’i Bodo, Luc, Mahery ary Lily no handravaka ny fotoana. Natao hanentanana ny olona hitsidika ny gara ihany koa ny hetsika noho izy anisan’ny vakoka Malagasy. Santatra ihany ny rahampitso fa hisy andiany telo ny “Alin’ny haisoratra miaraka amin’i Rado”, araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin'ny OFNAC, Heritina Marie Olive.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.