Hahazo isa 10 amin’ny novambra no tanjona, hoy ny filohan’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra, Alfred Randriamanampisoa.
Mba vita amin’izay ny lalao miverina amin’ny Cote d’Ivoire dia efa tafakatra any amin’ny CAN 2021 isika. Eo am-pandaminana ny lafiny fandrindrana rehetra izahay ankehitriny amin’ny lalao mandroso any Barikadimy na ny resaka tapakila n any lafiny fidirana. Mivory marain-tsy hariva, hoy hatrany ny tenany, satria ny tanjona dia ny Barea hanao CAN indray. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa manana isa 6 ankehitriny ny ekipam-pirenena Malagasy taorian’ireo fandresena miisa 2 tamin’I Etiopie sy Niger. Fandresena tokana sy sahala iray noho izany dia ampy hahatafakatra antsika.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.