Actualités

Alatsinain’ny pentekosta Vao maraina dia efa fitohanana tany amin’ny RN 1 sy RN7


  • Talata 30 Mey 2023

Samy niezaka ny nitondra ny fianakaviany nivoaka kely ny renivohitra avokoa omaly Alatsinain’ny Pentekosta ny isan-tokantrano na dia eo aza ny fahasahiranana,

indrindra fa ireo manana fiara. Ankoatra ny lalam-pirenena fahafito dia anisan’ny tena be mpitsangatsangana ny nivoaka ny lalam-pirenena voalohany. Vao maraina vokatr’izany dia efa feno fitohanana ireo lalam-pirenena roa ireo. Toraka izany koa ny fiverenana nody izay vao tamin’ny 11 ora dia efa tsy nifankahitana. Ho an’ireo nisafidy ny lalam-pirenena voalohany ohatra dia teny Ambatomirahavavy dia efa sahirana ireo niakatra teto an-drenivohitra. Nahalany ora 4 na 5 teo ho eo ny fiara iray vao tafavoaka an’Ampitatafika. Nanampy trotraka izany ny tsy fisian’ny taxibe ho an’ireo tsy lasa lavita fa namonjy an’ny Cur Vontovorona….Nanararaotra rahateo ny mpamily sy ny mpanampy azy izay nampiakatra ny saran-dalana hatrany amin’ny 3000 Ar raha tokony ho 1500 Ar, tranga efa niainana nanomboka tamin’ny Sabotsy teo. Ho an’ireo tsy nivoaka lavitra kosa fa nisafidy ny teto an-drenivohitra dia tsy vitsy ireo nitsidika ny valan-java-boahary teny Tsimbazaza. Toraka izany koa ny teny amin’ny zaridainan’Ambohijatovo, ny teny amin’ny By pass, ny teo amin’ny zaridainan’Anosy….
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT