Actualités

ALASORA “ Tsy azo hatao ny manapoaka afomanga…”


  • Alakamisy 20 Aprily 2023

Tsy azo hatao intsony aloha ny manapoaka afomanga mandritra ny iray volana ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Alasora, distrikan’Avaradrano.

Miato ihany koa ny fandraisana fangatahana sy famoahana fahazoan-dalana mifandraika amin’izany mandritra io fotoana io. Noho ny fisian’ireo afomanga hapoaka eny amin’iny faritra iny isan-kerinandro no voalaza fa anton’izany. Teo ihany koa ny fifangaroan’ny feon’ilay afomanga sy ny feom-basy nandritra ny fanafihana niseho tany an-toerana sy teny Ambohimanambola ka tsy fantatra intsony izay marina. Voarara ary tsy azo hatao koa ny mikarakara na manao lanonana aorian’ny amin’ny 07 ora hariva ka hatramin’ny 07 ora maraina. Mikatona manomboka amin’ny 09 ora alina ihany koa ny bara sy ny toerana fanaovana karaoke rehetra ao anatin’ny kaominina. Izany no natao dia ho enti- miady amin’ny tsy fandriampahalemana ao anatin’ity kaominina ity. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia somary nahazo vahana izany tao Alasora tato ho ato. Tsy fantatra intsony ireo tena ati-doha mikotrika izany na vono olona na vaky trano fa miitatra hatrany amin’ny By pass izany ka tsy misy izay tsy mitaraina. Anjaran’ny Fokontany, ny mpiasan’ny kaominina, ny mpitandro ny filaminana ary ireo tompon’andraikitra eny ifotony toy ny kartie mobila no manara-maso io didim-pitondrana navoakan’ny kaominina omaly io.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’Alasora efa niezaka nanentana ny mponina hatrany ny amin’ny tokony hisian’ny fandriampahalemana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT